NY TETIK’ASA A.L.B.A.

NY TETIK’ASA A.L.B.A.

Ny tetik’asa ALBA dia teraka avy amin’ny fanirihan’ny fiangonana ao Farafangana, izay efa an-taona maro no nanontany tena hoe: ahona ny fomba hanorenana toerana fanabeazana mahomby ho an’ny tanora sy ny katekista. Eto madagascar isika, aty aminy moron-tsiraka antsimo-antsinana ao amin’ny tananàn’ny Farafangana, iray amin’ireo tanàna mahantra aminy sisin’ny nosy , izay hinoana fa isan’ny mahantra indrindra eran-tany. Efa am-polo-taonany maro ity tanàna ity no tsy nisy fivoharana; indraidray aza toa mihemotra eo aminy lafiny ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara- kolontsaina.

Voa haingana, teo anivon’ny diosezy izay tohanan’ny fihaonamben’ny Eveka eto Madagasikara, dia nipoitra ny hevitra hanokatra Anjerimanontolo ( oniversite) ao amin’ny faritra lehibe antsimo-antsinana. Maro amin’ireo tanora manan-talenta no miala amin’ny faritra satria tsy misy fahafahana firy na amin’ny lafiny fianarana na amin’ny asa. Ankoatra ny “fitazomana” an’ireo tanoranay amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo ny fahafahana hianatra, dia tianay ihany koa ny hanampy azy ireo amin’ny famoronana asa sy orinasa, mba hahafan’izy ireo ho lasa isan’ireo taranaka mpitarika ramhapitso. Amin’ny alalan’ny fanokafana sy fampandehanana ny oniversite no afahantsika manome aim-baovao ny faritra.

 Ireto avy ny sampam-pianarana efatra efa misokatra : ny “GESTION” (mifantoka amin’ny economie generale), sy “SIANSA MISAHY NY FANAMBEAZANA” (miara misalahy amin’ny fianarana ny fiteny sy kolontsaina vahiny ), sy “AGRONOMIE” (mifantoka ny fiarovana ny tontolo iainana) ary ny “SCIENCES HALIEUTIQUE ET MARINE” (mifaneno amin’ny Agro sy atosik’ny direction regionale de la peche) ary ny. Eo am-panomanana ihany koa ny fanokafana ny sampam-pianarana Arakajimirindra “INFORMATIKA”, mety amin’ny taona universitera manaraka sahady. 

Vao fotoana vitsivitsy izay no nanaovanay fifanarahana  tamin’ny oniversite Eoropeana, anisan’izany ny oniversiten’i Modena sy Reggio Emillia (UNIMORE) ary ny oniversiten’i Ferrara (UNIFE) any Italia, mba afahan’ny sasany amin’ireo mpianatray manohy sy mandalina ny fianarany any ivelany, mba hahafantatra tontolo vaovao sy mapientanentana, raisina an-tanana ao amin’ny fianakavian’io faritra io, ary mba ho afaka hiverina eto Madagasikara indray rehefa vita ny fianarany, mba hiara-hiasa aminay amin’ny fampianarana sy fanofanana sy fanambeazana ny tanora ary  handray anjara bebe kokoa amin’ny fapandrosoana ny tanindrazany. Efa miara-dia amin’ny oniversità roa hafa koa, ny Universitè Catolique de Lille any Frantsa sy ny Oniversiten’ny siansan ny fiainana any Poznan any Pologne.

Ny ivon-toerana ambony, izay mikendry ny ho lasa oniversite, dia mitondra ny anarana hoe: A.L.B.A, fanafohezana ny hoe: Athénée Lucien Botovasoa Antsinana, nanapa-kevitra izahay ny hanokana ny hezaka ataonay ho an’ny olontsambatra Lucien, zanaky ity faritra ity, izay novonoina ho martiry noho ny fankahalana ny finoana, ary antenainay mba hasandratra ho olomasina tsy ho ela, izay ho voalohany aminy tantaran’i Madagasikara. Izy no hitokisanay amin’ny fanantenana ny hahavitana hanangana zavatra manan-danja izay mety ho modely ho an’ny ivon-toerana maro hafa eto Madagasikara sy aty Afrika.